Ny 1 desambra 2022, nandray ny fiarakodia 4×4 enina (06) avy amin’ny tetikasa fampandrosoana sy fanamorana ny varotra – PACFC (1) ny minisiteran’ny Indostria, varotra sy fanjifana (Micc). « Afaka ny sakana ara-materialy. Hanafaingana ny fanatanterahana ny asa ny fahazoana ireo fitaovaona ireo”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Micc, Rakotondramanana Onja Miandry. PACFC, tetikasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ary vatsian’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) vola.
Nankasitrahana manokana, araka izany, ny fifanampiana misy eo amin’ny roa tonta, ny misahana ny indostria, varotra, sy fanjifana sy ny minisiteran’ny Asa vaventy. “Minisitera teknika mifameno ny minisitera roa. Mifameno dia mahavita zavatra maro ary mahazo vokatra haingana”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Micc raha nitodika tamin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Minisitera miara-misalahy hanatsarana ny varotra.
Hanatsara ny fidiran’ireo mpamita iraka any amin’ny faritra Atsimo ny fahazoana ireo fiara ireo. Tanjona ny hampiroboroboana ny varotra sy ny fampiasam-bola izay hitondra soa ho an’ny tantsaha, ny mpanjono ary indrindra ny mpivarotra, satria hanokatra lalam-barotra vaovao. Mponina valo hetsy no hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa PACFC.
Ireo fiara ireo ho ampiasain’ny Komity misahana ny fanamorana ny fifanakalozana – CNFE (2), ny Fanatsarana ny kalitao – BNM (3), ary ny Fifaninanana ara-barotra – CC (4), izay samy eo ambany fiahian’ny Micc ireo antokon-draharaha ireo.
Ndrina
PACFC (1) :
Projet d’Aménagement de Corridors et des Facilitations du Commerce
CNFE (2) :
Comité National de la Facilitation des Echanges
BNM (3) :
Bureau de Normes de Madagascar
CC (4) :
Conseil de la Concurrence