Minisitry ny Toekarena sy ny vola : « Mpitantam-bola no miantoka ny fampandehanan-draharaha … » 

Manoloana ny mpiasan’ny Antenimierandoholona mbola tsy nandray karama volana novambra 2022, nitondra fanazavana, ny faran’ny herinandro teo ny minisitry ny Toe­karena sy ny vola, Ra­barinirinarison Rindra Hasim­belo, naharay ny fangatahan’izy ireo. Tamin’izany ny nilazan-dRtoa minisitra fa samy manana ny mpitantam-bolany ny Andrimpanjakana tsirairay, HCC, Antenimieran­doholoana, Antenimieram­pi­renena, minisitera, sns fa ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, mandravona ny asa ao anatin’ny boky iray, ilay hoe tetibolam-panjakana.
« Ireo mpitantam-bola ireo ihany no mampiasa ny tetibolany, miantoka ny fampandehanan-draharaha rehetra, anisan’izany ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, ny zavatra ilaina andavanandro sy fandaniana hafa. Efa voafaritra any amin’ny voalohan’ny taona izany ny tetibola ilaina, samy mitantana ny volany.
Ho an’ny Antenimieran-doholona manokana, nangataka fanampiny izy ireo. Izany tetibola fanampiny izany anefa tsy ny minisitera na olona iray no manapaka azy, fa didim-panjakana ihany no handraisana izany. Tsy voatery hivoaka didim-panjakana avokoa anefa izay mangataka fanampiny fa mbola mandalo fandinihana sady mila loharanom-bola vaovao.
Rehefa misy fangatahana toy izany, tolokevitra arosonay matetika ny hanaovana « aménagement interne », izany hoe ny vola eo am-pelatanana alamina ny ao anatiny. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpiasan’ny An­tenimierandoholona, nahazo fangatahana vaovao izahay ny hisintonan’ny minisitera ny ambim-bola rehetra eo anivon’ny Antenimierandoholona ka izay vola tonga handoavana ny karama volana novambra 2022.
Azo atao ihany izany fa mila fotoana lavalava, mbola mandalo filankevitry ny governemanta, mila didim-panjakana. Azo atao mivantana anefa izany amin’ny alalan’ny fandaminana anatiny na ilay « aménagement » nambarako teo » .

Nangonin’i Ndrina

Partager sur: