Oniversite FJKM Ravelojaona: Andiany Ilo, mpianatra 289 nahazo diplaoma

Manetriketrika ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana ka nahazo dilaoma tao amin’ny Oniversite FJKM Ravelojaona (Onifra) izay notanterahina teny Ivato, ny faran’ny herinandro teo. Miisa 289 ireo mpianatra nisalotra ny andiany Ilo ka nahazo ny diplaoma Licence sy Master rehefa nianatra nandritra ny taona maro. Nitsinjara tamin’ ny lalam-piofanana samihafa ireo andiana mpianatra ireo, izay mikatsaka ny sehatry ny asa eto Madagasikara ny ankamaroany. Tao ny nanaraka ny lalam-piofanana momba ny lalàna sy fitantanana, serasera, jeolojia ampiharina amin’ny tontolo iainana, ny fampianarana sampana teny anglisy sy ny resaka fizahantany, fianarana momba ny haikajy mirindra, “science de l’ingenieur”, “agronomie et BTP”, “Science et technologie”,
Nanazava ny rektoran’ny oniversite, Ratsimandisa Zo, mpitandrina fa niezaka ny sekoly nitady ny toerana na­na­ovan’ireo mpianatra fizaran’ asa sahady na dia am-perim-pianarana aza izy ireo hahafahany manamora ny fidirana amin’ny sehatry ny asa rehefa misalotra ny diplaoma . Misy ireo mpianatra noraisin’ny ori­nasa avy hatrany rehefa nahafa-po ny vokatra. Misy an­efa ireo mbola vonona ha­nohy ny fianarana hatramin’ ny Doctorat. Efa manana ny alalana ara-panjakana rahateo ny sekoly doktoraly ao amin’ ny Oniversite FJKM Rave­lo­jaona. Misy mpianatra kosa efa hiditra avy hatrany amin’ ny famoronan’asa mihitsy.

Tatiana A

Partager sur: