Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy vitan’ny fitondrana foibe irery ny fampandrosoana”

Naneho ny heviny amin’ny fitantanana eny ifotony ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Ihorombe,
ny herinandro teo. Niaiky ny tenany fa tsy tokony hatao resa-be fotsiny ny fitsinjaram-pahefana.

“Tokony hiaiky ny fa­n­jakana foibe amin’ izay tsy vitany, aleo homena fahefana sy fitaovana ary fidiram-bola ny any amin’ny faritra sy ny kaominina”, hoy Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fanombohana ny hetsika ho an’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany fahadimy natao tany Ranohira, faritra Ihorombe, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa tsy vitan’ny fitondrana foibe irery ny fampandrosoana.
Matetika variana amin’ny fi­tantanana ny foibe na ankopobeny ny fanjakana foibe. Aleo ny lehiben’ny faritra na ny governora sy ny ben’ny Ta­nà­na no omena fanampiana sy vola mba hahazoan-dry zareo eny ifotony mahita izay tokony hamboarina: sekoly, tetezana… Na izany aza, mila atao tsara ny fitantanana eo anivon’ny faritra sy ny kaominina. Ny fanatsarana ny fitantanana eny amin’ny faritra sy ny kaominina no hahazoana tena mampandroso haingana ny firenena.

Hanana toe-tsaina mitady ny soa
“Zava-dehibe ho antsika tokoa ny hisian’ny fitsinjaram-pahefana. Tsy resahina am-bava fotsiny izany, fa ho hita taratra amin’ny fandraisantsika andraikitra”, hoy izy. Toe-tsaina ny fitsinjaram-pahefana. Ny mahamety azy: ny aty amin’ny faritra sy ny kaominina tokony hanana toe-tsaina mitady ny soa sy ny tsara hampandrosoana hatrany ny kaominina sy ny faritra, tokony hanana fanapahan-kevitra hatrany amin’izay fomba mety hanampiana bebe kokoa ny kaominina sy ny faritra…

R. Nd.

Partager sur: