Tsiahy Kaiamba: nafana ny hetsika, vitsy ny mpijery

Nihaona tamin’ny mpankafy azy, tetsy Antsa­ha­ma­ni­tra, omaly tolakandro, ny tarika Kaiamba. Seho nokarakarain’ny avy ao amin’ny Baobab Prod. Nafana ny he­tsika na dia vitsy aza ny mpijery tonga teny an-toerana. Saika tazana teny an-toerana avokoa ny sokajin-taona rehetra. “Tsy lefy laza ny tarika Kaiamba, fa mbola manana ny mampiavaka azy”, hoy ny mpijery nanontaniana. “Hafa ihany ny mijery mivantana ireo tomponkira eny an-tsehatra tahak’izao”, hoy indray ny hafa. Maro ny hira tsy afaka am-bavan’ny mpankafy nataon’ny tarika, anisan’izany ny “Veloma ianao Rasely”.
Tonga nanafana ny seho ireo miangaly ny Kaiamba monina avy eto Antananarivo sy avy any Toamasina. “He­tsi­ka hamaranana ny taona 2022 sy hiarahana miala vo­ly ary nanomezana fahafaham-po ireo mpankafy teto Anatananarivo izy ity” hoy i Jackie Edmée, tarika Ka­i­am­ba. “Mba hanandratra avo ny ny kolontsaina malagasy sy ha­melo-maso ireo kanto ela tsy heno ny tanjon’ny hetsika, ezahina ihany koa ny hizara ny kolontsaina malagasy ho an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fampisehoana”, hoy i Haja, mpandrindra ankapobeny ny Baobab prod. Mbola hitohy ny fihaonan’ny tarika Kaiamba amin’ny mpankafy re­hetra manerana ny faritra, raha ny fanazavan’ i Jackie Edméé.

Mino (Mpianatra asa)

Partager sur: