Nandray anjara tamin’ny « Blue Innovation Solution Conférence », fikaonandoha hitadiavana ireo fomba fiasa vaovao hiarovana ny harena tontosaina ao Indonesia, ny solotena malagasy notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly. Nodinihina tamin’izany ny paikady iraisana amin’ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy ny fitantanana ny harena an-dranomasina amin’ny endriny vaovao. Nasongadin’ny minisitra nandritra ny lahateniny ny fanavaozana azo atao amin’ny fitrandrahana ny ranomasina hiteraka angovo na ny “Énergie Renouvelable Marine” (ERM). Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny lomo-dranomasina na ny “algues” hamokatra angovo sy hanadio ny rivotra iainana. Eo koa ny famokarana herinaratra amin’ny ranomasina sy ny fanodinana ireo akora plastika. Novelabelariny ny fandriampahalemana eny an-dranomasina, indrindra ny ady amin’ny jiolahintsambo sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina, izay andraikitry ny firenena na atao hoe « actions de l’état en mer » izany. Marihina fa tanterahina any Bali, Indonesia ny 5 sy 6 desambra izao ny « Archipelagic and Island States forum na ny AIS », hatrehin’ireo firenena miisa 47 ka andraisan’ny solontena malagasy anjara.
Tsiferana R.