“Matetika, tsy tanteraka eny anivon’ny distrika ny voasoratra ao anatin’ny sora-bola. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny sosialim-bahoaka”, hoy ny depiote, Randrianasolo Jean-Nicolas, momba ny tetibolam-panjakana, taona 2023.
Ny tetibola ho an’ny fambolena no tokony hatao laharam-pahamehana. Ny lafiny sakafo no tena manahirana ny vahoaka. Hatao ny fampindramam-bola madinika ho an’ny eny ifotony, ambanivohitra.
Ny tokony ho laharam-pahamehan’ny fanjakana: ahoana ny mba hampindramam-bola an’ireo eny ifotony? Hampianarina tsy handanilany vola foana. Ny manana velaran-tany amina hektara, ohatra, ampindramana vola mifanandrify amin’izany. Hividianana masomboly sy ireo ilaina amin’ ny fambolena. Hampiana ry zareo amin’ny fitantanana izany vola izany. Miainga any ifotony ny fampandrosoana.
Manjary fatiantoka ny fananana olona eny ifotony, atao tsinontsinona nefa ireo tena mamelona ny tanàn-dehibe amin’ny sakafo. Fa tsy jerena ireo olona eny ifotony tokony hampiasa vola, satria hoe tsy nianatra ireo olona ireo.
R. Nd.