Namoy ny ainy teny amin’ny HJRA ilay vehivavy 31 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambodisaha Ambatomirahavavy, ny alahady teo. Mbola tazomina eny amin’ny sampana vonjy aina kosa ny zanany vao valo volana.
Tranga mampalahelo. Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy noho ny fivadihan’ny fiara nitondra azy teny Ambodisaha Ambtomirahavavy, ny alahady hariva teo. Naratra mafy tamin’izany koa ny zazany kely vao valo volana monja.
Avy nanao piscine teny Ambatomirahavavy niaraka tamin’ireo fianakaviany izy mianaka kely ireto. Nanofa taxi-be zotra 138 ireo mpiahavana ireo rehefa nivoaka niaraka tamin’ireo fianakaviany. «Nanao piscine teny Ambatomirahavavy izy ireo ka saika hamonjy fodiana», hoy ny loharanom-baovao iray. Nirotsaka tampoka anefa ny orana, nalama ny lalana, nandeha mafy ny mpamily. Tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva teo, nivadika sady nilatsaka tao anaty tatatra kely ilay fiara. Araka izany, nitangorona sy niezaka namonjy ireo niaharam-boina ny fokonolona.
Tsy tana ny ainy
Naratra mafy nandritra ity lozam-pifamoivoizana ity ilay renim-pianakaviana 31 taona sy ilay zanany kely raha tsy naninona kosa irao havany miisa valo hafa, niray fiara taminy. «Tsy nanana olana ara-teknika ilay taxi-be. Ny fandehana mafy no nahatonga ity loza ity, ny andro rahateo efa maizina», hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana misahana ny famotorana. Minitra vitsy taorian’ny loza, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Noentin’ ireo zandary teny amin’ny hopitaly izy mianaka kely. Noraisin’ny sampana vonjy aina ny HJRA. Indrisy fa tsy tana ny ain’ilay renim-pianakaviana na dia nanao ny ezaka rehetra ireo mpitsabo nandray azy. Ilay zanany kosa mbola tazomina ao an-toerana hatramin’izao.
Havan’ireo fianakaviana ihany ilay mpamily. Voalaza fa maika hanatitra io fiara io any amin’ny garazy izy ka nandeha mafy noho ny fahatarana. Ankehitriny, atao andrimaso eny amin’ny biaron’ny zandary izy, aorian’izay, hiakatra fampanoavana ny raharaha. Efa niala teo an-toerana ilay fiara tra-doza.
Henintsoa Hani