“Tsinontsinona izahay sy ny minisitra na tomponandraikitra, rehefa tsy eo ny filohan’ny Repoblika. Inona izany no tokony hataontsika? Manampy ny filoha isika”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Talata Volonondry, ny farany herinandro teo, tamin’ny fametrahana ny vato fototra ny fanamboarana ny lalambe migodana.
Fanatanterahana ny veliranon’ny filoha ny tetikasa atao. Tsy mbola manao fampielezan-kevitra izao, fa mbola manam-potoana iasana izao ary tsy tratra aoriana. Ny olona any an-tokotany aza, mieritreritra ny hiditra ato an-trano. Vao mainka fa ny efa ao an-trano indray no hivoaka?
Sao sanatria manao toy
ny mpitondra teo aloha hoe hanao an’izao na izatsy rehefa tafaverina eo amin’ny fitondrana. Manonofy izany. Veliranon’ny filoha no tanterahin’ny mpitondra rehetra. Ireo mahatsiaro tena ho reradreraka, mba mahazo maka aina indray.
Efa folo taona mahery no naha sekretera nasionalin’ny TGV azy, araka ny nambarany. Mila rivo-baovao izany, mila eritreritra vaovao. Hijanona tsy hanao politika intsony izy amin’ny 4 marsa 2025.
R. Nd.