Jirama: tafaverina ny herinaratra hatrany Soavinandriana

Tafapetraka teny Alakami­sy Fenoarivo, ny alahady 4 desambra teo, ilay vata mpanova herinaratra lehibe “trans­formateur SWER”. Taorian’ ny andrana teknika, niverina tamin’ny laoniny ny herinaratra, miainga eo Alakamisy Fenoarivo, mamatsy ny tanàna manamorona ny lalam-pirenena voalohany RN 1 hatrany Soavinandriana Itasy.
Misy ampahany tsy mbola miverina kosa ny herinjiro, ny any Alatsinainy Ambazaha sy Ambohimiadana, ohatra, izay notanterahina, omaly alatsinainy, ny famerenana azy.
Tsiahivina fa nanome fe-potoana herinandro ny Jirama, nanarenana ny tambajotra SWER, miankandrefana, izay efa tsy nandeha ny jiro, na­nom­boka ny 17 novambra, na­ha­may ny milina iray etsy Anosizato.
Etsy ankilany, tsy foana ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina, na efa nirotsaka foana aza ny orana. Voala­za mahatonga izany ny tsy fa­hampian’ny riandrano any amin’ireo toby mpamokatra, toy ny any Andekaleka, Man­draka, Tsiazompaniry, Antelo­mi­ta, Farahantsana, Sahani­votry. Nihena kosa ny faharetan’ny fahatapahana, tsy toy ny tamin’ny herinandro, izay noho ny tsy fahampian’ny solika no voalaza ho antony.

Njaka A.

Partager sur: