Maro ny kolontsaina malagasy efa very nanoloana ny firoboroboan’ny teknolojia sy ny fanatontoloana. Isan’izany ny fifampitsimbinana. Lasa samy maka ny azy sy manao izay hivelomany ny tsirairay. Izany rehetra izany no nanosika ny fikambanana Soroptimist International Club Antananarivo Mandrosoa, mitsinjo sy manampy ny olona sahirana. Tanjon’ny fikambanana ny hitsimbina sy hanampy ny olona amin’ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo.
Ny fahasalamana sy ny fampianarana ary ny tontolo iainana no tena ifantohan’ny asa sahanin’ny fikambanana.
Misy ny fanofanana iarahana miasa amin’ny orinasa lehibe anakiray. Eo ihany koa ny fisian’ny toerana fitaizana zazakely eny Ambohidehilahy Ambohidratrimo, izay vatsian’ny fikambanana fitaovana ny ankizy ao an-toerana. Mahazo tombony manokana ihany koa ny vehivavy. Isan’ izany ny fampiofanana sy fizaham-pahasalamana ary fizarana entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ny vehivavy voafonja eny Antanimora. Misy ihany koa ny fampirisihana sy fanohanana ny vehivavy manana tetikasa. Tanjona ny fanampiana ny vehivavy amin’ny fanatsarana ny andavanandrom-piainany.
Misy araka izany ny hetsika fitadiavana vola, entina manatanteraka izany fitsimbinana ny mpiara-belona izany. “Marché de Noel” andiany fahatelo, atao ny asabotsy 10 desambra 2022, tontolo andro, eny amin’ny “Immeuble Ivandry Business”. Entana maro isan-karazany ho an’ny rehetra no ho hita ao. Entina mamatsy ny fikambanana hitsimbinana ny Malagasy mpiray tanindrazana ny vola azo mandritra ny hetsika. Ny fikambanana izay efa nahazo mari-pankasitrahana iraisam-pirenena teo amin’ny resaka tontolo iainana.
Lin (Mpianatra asa)