Mikatso ny lamasinina ?

Vaovao iray niteraka resabe tetsy sy teroa, ny tsy fandraisan’ anjaran’i Madagasikara tamin’ny lalao iraisan’ny Nosy ho an’ny tanora, izay ato any Maorisy, nanomboka ny alahady lasa teo. Zava-dehibe manamarika ny maha firenena manana ny maha izy azy anefa ny fandefasana delegasiona tany an-toerana. Mifanon­tany tena ny rehetra amin’ny antony nahatonga izao toe-javamisy izao. Vola ve? Sa fifandrohitam-pahefana? Sa tsy fahaizana tsotra izao? Samy tsy mahalala izay any anaty vilan’ny fitondrana ny vahoaka tsy mandady harona. Tsy misy rahateo fanazavana ofisialy mivoaka indrindra avy amin’ny minisitera mpiahy sy ny komity natokana hikarakara ny lalao.
Voka-dratsy maro no ao ambadik’iny fanapahan-kevitra iny, indrindra ho an’ny mpilalao nanomantena fatratra sy nandany ny teo ampelatanany. Iarahantsika mahita ny sata sosialin’ny atleta Malagasy izay “sahirana”. Tsy hino isika fa misy ny mpanao fana­tan­ja­hantena na ny “regime” aza tsy misy kanefa ny kotrana tsy maintsy hatao. Miady mafy sy manao ezaka manokana ny tsirairay noho ny fitiavana ny tanindrazana sy fiarovana ny voninahi-pirenena. Indrisy anefa, indray mipy maso, foana ny fanantenana, raha toy izao.
Iza no omen-tsiny? Mazava ho azy fa ny mpitondra fanjakana. Matetika anefa tsy mahita afatsy ny Filoham-pirenena ny Malagasy. Na iza na iza tomponandraikitra amin’ny tsy fahombiazana, ny lohany ihany no fantatry ny olona. Eo indrindra no tiana hanipa­zana teny kely ho an’izay nomem-pahefana. Tsy tokony hisy kosa ny famahanan-dalitra ny mpanendry izay misolotena ny vahoaka nifidy sy nametraka fitokisana taminy. Mila manana fijery ara-dalana sy mipetraka anaty etika ny tsirairay. Tsy tokony ho baikoan’ny fitiavan-tena sy ny tombotsoa manokana ka manao sorona ny an’ny besinimaro. Mariky ny fitiava-tanindrazana ny fahasarotam-piaro amin’ny voninahi-pirenena izany. Indrisy anefa! Simbainareo amin’ny hambom-po diso toerana.
Tsy afa-miala, tsy ho tomponandraikitra ihany anefa ny Filoham-pirenena. Marina fa tsy ho arany avokoa ny asa rehetra sy ny fanaraha-maso ny olony. Heno anefa ankehitriny, fa tsy mbola mahasahy ny maka fanapahan-kevitra hentitra manafay na manala azy ireny izy. Olana, efa andohalika ny ranom-bary. Iza no tsy mikaikay amin’ny fitarozarahan’ny fanesorana ny volo mpanoha-randrana, fandoto iray tandroka, ary indrindra ireto mpanimpy hoditra akondro. Iray taona mialoha ny fotoam-pifidianana, mankalilo sofina ny maheno fa fitondrana hirodana ho azy io, na fitondrana mpiady an-trano, sns. Vanim-potoana tsy maintsy hananan’ny Filoha fahasahiana, manadio sy manala izay olona tsy mahomby izao. Fotoana, tokony ampisehoany fa tsy vitan’ny finamanana sy fifankafantarana ny fikajiana ny ho avy politikany. Mila manao “vidange” ny lamasinina izy raha mbola manam-pikasana ny hanohy ny dia amin’ny hafainganam-pandehan’ny TGV. Hatreto aloha …mikatso.

r.r

Partager sur: