“Mitohy ny tolonay. Tafiditra ao amin’ny kaontinay ny karamanay, dia mandray asa izahay”, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny mpiasan’ny Antenimierandoholona, Razafimaharo Famatanantsoa, teny amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona, Anosikely, omaly.
Fitantanana tsy milamina sy tsy mirindra ao anatiny ary tsy mitsinjo ny tsy maintsy zakaina amin’ny fandaniana fototra ho tonga hatramin’ny volana desambra no anton’izao tsy fandraisan-dry zareo mpiasa karama izao, araka ny fanazavany. Ny fitontonan’ny karama volana novambra eo amin’ny kaontin-dry zareo no andrasan’izy ireo amin’izao.
Ny amin’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, nampiantso ny sendikà ny herinandro teo: mazava ny tenin’ny minisitra fa tsy misy idirany ny fikarakarana ny karaman’ny mpiasan’ny Antenimierandoholona, fa raharaha anatiny eo anivon’io andrimpanjakana io ihany.
Raha tsy tonga ara-potoana koa ny karama desambra sy ny solompen’akoho voalazan’ny sata : hitatao ny raho-mainty, hanavandra, ary hifofofofo ny rivotra.
R. Nd.