Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nisandoka ho polisy tao amin’ ny tanànan’Ambilobe, omaly. Mpitondra bajaj teo aloha, nisandoka andraikitra tamin’ny alalan’ny fanaovana ireny fanamiana polisy ireny ny lehilahy. Hananany avokoa ny satroka, ny akanjo sy ny sisa … Avy any Sambava izy ary niaiky fa mpitondra bajaj tokoa ny asany taloha. Noho ny fandikan-dalàna nataony amin’ ny tsy tokony hanavaon’ny olon-tsotra ny fanamiana mpitandro filaminana sy ny fisandohana andraikitra, notanana eny anivon’ny biraon’ny polisy ao an-toerana ity lehilahy ity hatao fanadihadiana ny antony nanaovany izany. Nogiazana ireo fanamiana sandoka.
Tsiferana R.