Tenisy – Mada 2022 : mpilalao 120 hiady izay ho lohany

Taorian’ny fifaninanam-pirenena, sokajy Junior notanterahina teto Antananarivo, ny volana novambra lasa teo, nanomboka omaly alatsinainy tany Antsirabe indray ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena ho an’ny sokajy rehetra. Fifaninanana hamaranana ny taona 2022, ihany koa ary hetsika faharoa nokarakarainy, taorian’ny nahavoafidy azy ireo, hitondra ny tenisy malagasy.
Miisa 120 ny mpandray anjara, avy amin’ireo ligim-paritra miisa fito izy ireo dia Analamanga, Vakinankaratra, Antsinanana, Atsimo Andre­fana, Boeny, Matsiatra Am­bony, Amoron’i Mania. Mari­hina fa nisantatra ny fifaninanana omaly ny sokajy zokiny, arahin’ireo ao amin’ny “4è serie” sy ny “3è série” lahy sy vavy. Ny alakamisy vao hiditra an-tsehatra ny “2è serie” lahy sy vavy ary ny zoma ny an’ireo ao amin’ny “1ère série”. Tsiahivina fa haharitra amin’ny alahady ho avy izao ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasika­ra, ity. Ireo mpilalao manana ny kara-pilalaovana ara-dalàna ihany ny hany afaka mandray anjara amin’ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: