Tsy araka ny vinavina: tafakatra 9,3% ny fidangan’ny vidim-piainana 2022

Anisan’ny nanamarika ity taona 2022 ity ny ady any Ukraine. Miantraika mivantana amin’ny sehatry ny solika sy ny famatsiana ara-tsakafo, indrindra ny voamaina, toy ny varimbazaha sy ny vary izany. Ho an’ny taona 2023, vinavinaina hitombo ny famokarana anatiny, amin’ny fambolena sy ny indostria.

Araka ny tatitry ny Tetibola LFI 2023, nahatratra +40% ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ny jolay 2022 teo, nampidangana ny vidin-javatra. Tafaka­tra 8,4% ny fidangan’ny vidim-piainana ny jolay 2022 ary 9,3% ny aogositra. Araka ny tarehimarika na­voakan’ny Instat, nahatratra 9,3% ny salanisan’ny fidangan’ny vidim-piainana tamin’ity taona ity, raha toa ka 6,2% ny vinavina tanaty tetibola nasiam-panitsiana LFR 2022. Tsy nisy tato anatin’ny 4 taona ity fidangan’ny vidim-piainana ity, satria 6,4% ny taona 2021, nahatratra 4,2% ny 2020 ary 5,6% ny taona 2019, araka ny antontanisa avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad).
Milaza ny LFI 2023 fa nampihena ny vola teo am-pelatanan’ny mpisehatra ara-toekarena sy ny tinady amin’ny fanjifana ankapobeny ireo. Vahaolana noraisin’ny fanjakana ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina, nifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tsy afaka nisitraka izany kosa ny mpiasa tena sy indrindra ny tantsaha, izay 75%-n’ny Ma­la­gasy, sady miaina any ambanivohitra ny 80%, mifototra amin’ny fambolena sy ny fiompiana.

Orinasa mpamokatra PPN

Voasoritra ao anaty LFI 2023 koa fa misy ny fiantraikany miabo eo amin’ny lafiny fandraharahana mitodika any amin’ny fanondranana any ivelany. Nanome vahana ny toekarena malagasy ny fitomboan’ny filana (tinady) amin’ny vokatra ampiasana ny akora harena an-kibon’ny tany, toy ny grafita, ny nikela, ny kobalta, izay anisan’ny vokarina eto Madagasikara.
Manampy izany, nampivoatra ny famokarana eto an-toerana ny fisondrotry ny vidin’entana ilaina andavanadro PPN, hafarana any ivelany. Satria nitombo ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) nisokatra. Raha ny antontanisa avy amin’ny mi­nisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MICC), miisa 38 ny orinasa nitsangana ka mamokatra savony, menaka, siramamy, ny 17 amin’ireo.

Hiakatra ho 4,9% ny fitomboan-karena 2023

Maro ny paikady entina hampiakarana ny taham-pamokarana. Maminavina ny LFI 2023, fa ho +4,9% ny tahan’ny fitomboan-karena amin’ity taona ity. Ho an’ny sehatry ny famokarana sy ny fambolena, maro ny tetikasa miompana amin’ny fanajariana ny lemaka ka vinavinaina hampitombo 9% ny voka-bary, ohatra. Eo koa ny fanohizana ny fampiroboroboana ny indostria, amin’ny fananganana ny Faritra fampisandratana ny indostria (ZEI), hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana en­tana any ivelany. Eo koa ny fanarenana sy fanamboarana fotodrafitrasa, amin’ny lafiny fitaterana, serasera, angovo, mba hanomezana vahana ny sehatra tsy miankina.
Milaza ny LFI 2023, fa tokony hampiharina ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, entina hampiroboroboana azy, sady hisarihana ny mpampiasa vola sy ny mpamatsy vola vahiny. Ma­nodi­dina ny +25,3% ny fitombon’ny fampiasam-bola ka avy amin’ny fanjakana ny 12,2% ary avy amin’ny tsy miankina ny 13,1%. Vinavi­naina ho 12,1% ny tahan’ny fampidiran-ketra amin’ny taona 2023.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: