Voarindra hatrany ny tetiandro fandraisana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona misitraka izany eny amin’ny «Perceptions Principales», ny «Trésorerie Municipale d’Antananarivo» (TMA) sy ny «Trésorerie Ministérielle chargée de la Fonction publique» (Tminfop) ary ny «Trésorerie Principale Inter-communale »( Tpic).
Hanomboka ny 9 desambra izao ny fandraisana izany vola izany ho an’ireo manana ny laharana miafara amin’ny 0- 1- 2. Miato kely izany mandritra ny faran’ny herinandro. Anjaran’ny manana laharana miafara amin’ny 3-4-5 kosa indray no mahazo ny anjarany ny alatsinainy 12 desambra. Mitohy ny fizarana ny talata 13 desambra ho an’ny laharana miafara amin’ny 6-7-8-9.
Ny laharana miafara amin’ny litera A-B-C-D-E indray no mahazo ny alarobia 14 desambra. Manomboka ny alakamisy 15 desambra kosa no mandray ny azy ireo izay mitondra “procuration” sy ireo taraiky.
Eny amin’ny PGA ( Paierie Générale d’Antananarivo) sy ny RGA ( Recette Générale d’Antananarivo) eny Antaninarenina indray dia hanomboka ny zoma 9 desambra ny fisitrahan’ny manana laharana miafara amin’ny 0- 1- 2- 3- 4. Mitohy ho an’ny manana laharana miafara amin’ny 5- 6- 7-8-9 ny fizarana ny alatsinainy 12 desambra. Ny talata 13 desambra kosa dia ny miafara amin’ny A- B- C- D-E no hisitraka izany.
Manomboka ny alarobia 14 desambra kosa no mandray ireo izay mitondra “procuration” sy ireo taraiky. Tsy miova ny fitsinjaran’ny laharana ho an’ny fizarana fisotroan-dronono any amin’ny faritra hafa. Miankina amin’ny fahatongavan’ny vola kosa ny daty fanombohan’ny fizarana.
Mila arahina ny fandaminana ialana amin’ny fitangoronana sy filaharambe mihoa-pampana. Nanamarika ny Tahirimbolam-panjakana fa aorian’ny tetiandro napetraka dia afaka alaina amin’ny fotoana rehetra ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo izay tsy nahazo izany tamin’ny andro voatondro.
Tatiana A