Andrianainarivelo Hajo : “Fomba fisainana ny fitsinjaram-pahefana…”

“Zava-dehibe ny fametrahana politika sahy sy mazava ary hentitra ho an’ny fampandrosoana ary hitondrana fanavaozana ho an’ny firenena”, hoy ny filoha nasionalin’ ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly teny Ankatso. Namelabelatra tamin’ireo mpi­anatra sosiolojia, taona fahatelo ny lohahevitra «Ny olana eo amin’ny rafitra politika sy ny fampandrosoana eto Mada­gasikara”, ny tenany tamin’ izany. Nanteriny fa olana koa ny rafi-panjakana. Tsy voahaja izany ary zary resabe fotsiny ny fitsinjaram-pahefana. Tena vahaolana anefa izany ho an’ny antoko Malagasy miara-mi­ainga. “Re­sy la­hatra izahay fa va­ha­olana ho amin’ny fampandroana ny fametrahana iza­ny”, hoy ihany izy. Noraisiny ho ohatra amin’izany fa tsy vitan’ ny fanomezana vola ny kaominina sy faritra fotsiny izany. Fomba fisainana mihitsy ilay fitsinjaram-pahefana, araka ny nambarany. Ten­drena ny minisitra ka omena andraikitra mi­fa­naraka amin’ izany izy. Ta­haka izany koa ireo tale sy tompon’andraikitra isan-tokony.

Fampirisihana ireo mpianatra…
Nambarany fa tanjona ho an’ny fizarana tahaka izao ny fanampiana ireo mpianatra hahafantatra bebe kokoa ny tontolo politika. “Fampi­ri­si­hana azy ireo koa handray anjara amin’izany amin’ny ho avy”, hoy ny filoha nasiona­lin’ny MMM.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ireo mpianatra ny fifampizarana sy ny fihaonana amin’ny mpisehatra ara-politika tahaka izao ho fanomanana sy fanamafisana ny fahalalana ho azy ireo
amin’ny tontolon’ny politika ankapobeny.  Nanamafy izany ny solontenan’ny mpianatra, Rafitoarivo Harimanana. No­tsiahiviny fa nandalo dingana politika sy efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena Andrianainarivelo Hajo. “Mahalala ny resaka politika sy ny fampandrosoana ka an­tony nifidianana azy hamelabelatra taminay izany. Ha­metrahana amin’ ny sain’ny mpinantra fa ilaina ny politika sy ny tontolo manodidina izany ary koa ny vahaolana raisina manoloana ny zava-misy ara-politika”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: