Clinique Amadia Faravohitra : omena toromarika ireo ankizy sy tanora diabetika

Tsy aretin’ny zokiolona na ireo efa mahazo taona intsony ny diabeta fa efa mahazo ny ankizy sy ny tanora ihany koa io toe-tena io ankehitriny, hoy ny ao amin’ny Amadia. Hisy, araka izany, ny hetsika karakaran’ity ivontoerana mandray an-tanana ny olona diabetika ity ny asabotsy 10 desambra izao ho an’ireo ankizy sy tanora diabetika la­tsaky ny 26 taona.
Lohahevitra voizina amin’ izany ny fandanjalanjana ny sakafo ara-pahasalamana ho an’ny ankizy sy ny tanora diabetika. Tanjona ny hahafahana mifehy ny tahan’ny siramamy anaty ra amin’ny alalan’ireo karazan-tsakafo hanina.
Matetika ny Amadia no manao hetsika manokana ha­nomezana toromarika ny tanora sy ny ankizy toy izao. Mi­o­vaova kosa anefa ny lohahevitra entina amin’izany.
Ankoatra ny toromarika momba ny sakafo, ifampizarana koa ny fampiasam-batana tokony hatao mifanaraka amin’ny toe-tena, ny karazam-panafody, ny fandaminan-tsaina manoloana ny fitsaboan-tena, ny fandrefesana matetika ny tahan’ny siramamy…
Raha ny salanisa farany dia 25 tapitrisa ny olona ma­na­na toe-tena diabetika aty Afri­ka. Ny 4% n’ny mponina eto Madagasikara kosa no fantatra fa manana izany toe-tena izany.
Anisan’ny mitarika fahafatesana betsaka indrindra ny diabeta tsy voalamina nohon’ ny voka-dratsy entiny eo amin’ ny fahasimban’ireo taova ma­ro isan-karazany ao anatin’ny vatan’olombelona.
Tokony ho vaindohan-draharaha, araka izany, ny fisorohana sy fifehezana izany. Ilaina koa ny mandray an-tanana sy manara-maso ary manohana ny olona manana toe-tena diabetika satria mila izany izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: