“Vinavina no nanaovana ny daty 31 desambra, fe-potoana fanisana mpifidy. Hatao raha hita hoe tokony hahemotra kely io daty io, fa tsy misy lalàna hoe tsy maintsy 31 desambra no hamaranana ny fanisana mpifidy.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, taorian’ny fihaonany tamin’ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana (ONU) eto Madagasikara, Issa Sanogo, teny Alarobia, afakomaly, momba ny fe-potoana fanisana mpifidy izay nofaritana tany am-boalohany fa tokony hifarana amin’ny 31 desambra ho avy izao, araka ny vinavina.
Hatao raha hita hoe tokony hahemotra ny fe-potoana fanisana mpifidy. Izay rahateo no fangatahan’ny maro. Hita tamin’ireny fihaonana tamin’ ny mpisehatra amin’ny fifidianana izany, fa tsy ho tratra ny fanisana mpifidy amin’io fe-potoana io. Ny hampidirana ny olom-pirenena rehetra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy no tanjona. Tsy mampaninona ny manemotra ny fe-potoana, fa tsy maintsy misy ny didim-panjakana. Soso-kevitra no hataon’ny Ceni hanemorana izany, fa ho hita eo ny didim-panjakana momba azy.
Enina tapitrisa latsaka kely no voasoratra anarana
“Tsy manafina ny Ceni fa mampahafantatra ombieny ombieny ny fivoaran’ny antontanisa amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”, hoy izy momba izay fanisana mpifidy izay. Amin’ izao fotoana izao, eo amin’ny enina tapitrisa latsaka kely ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana. Tsy mbola voafetra tanteraka amin’izao fotoana izao ny vola ilaina hanatanterahana ny fifidianana, taona 2023, fa mbola eo am-pandrafetana ny fandaharanasa sy ny vola ilaina amin’izany ny Ceni.
Nambaran’ny mpandrindra ny ONU fa miankina amin’ny fanajana sy fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny fiomanana rehetra mialoha ny fifidianana sy famatsiam-bolan’ny fanjakana malagasy ny fanahapahan-kevitry ry zareo ny amin’ny fanampiana amin’ny vola.
R. Nd.