Fandaharanasa: produir Nijery ifotony ny asa ny Banky Iraisam-pirenena

Anisan’ny notsidihin-dRtoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena, misahana ny ilany andrefana sy atsimon’Afrika, ireo tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Isan’izany ny Fandaharanasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny fiatrehana ny voina eto Antananarivo (Produir).

Notsidihin-dRtoa Victo­ria Kwakwa, ny asa fanarenana ny fefilo­han’Ikopa sy Sisaony, ny 5 desambra teo. Mizara efatra ny asa. Ny morona ankavian’ny reniranon’Ikopa, narenina ny fiarovana ny andrin-tany simba nokaohin’ny riaka, mirefy 1,27 km, ary mirefy 3,2 km ho an’ny morona ankavanana. Ho an’ny reniranon’i Sisaony, naverina amin’ny laoniny ny ampahan’ny morona, mirefy 125 m.
Maherin’ny 650.000 ny olona hisitraka ny vokatsoa entin’ny Produir, miasa ao anatin’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA), Iarinarivo, Bemasoandro, Andranonahoatra, Anosizato Andrefana ary Ampitatafika.
Nijery ny asan’ny Produir eny amin’ny fokontany Ante­tezana Afovoany koa ny filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena. Namboarina ny lalana ifamezivezen’ny fokontany maro, tratry ny tondra-drano matetika. Tafiditra ao anatin’ny andiany voalohany amin’ny asa fanatsarana ny fotodrafitrasa tanàn-dehibe, izay miisa 206 ny fanamboarana tetezana.
Fotodrafitrasa hafa miisa 208

Hanomboka ny andiany faharoa ka mahatratra 208 ny isan’ny fotodrafitrasa hatao. Isan’izany ny fananganana trano famakiam-boky, ny lalan-kely, ny fanajariana ny lakandrano sy tatatra, sns.

Hanatsara ny fiainan’ny mponina ireo, sady hitondra fampandrosoana ho an’ny tanàn-dehibe.

Nitarika ny fitsidihana ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany, Ra­ma­holimasy Houlder, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny Produir. Anisan’ny nanatrika ny fotoana ny Praiminisitra Ntsay Christian. Teo koa ny ben’ny Tanàna Antananarivo, Andriantsitohaina Naina.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: