Fiakaran’ny hafanan’ny tany : manana sehatrasa efatra ny Orange Madagascar

Marihina isaky ny 8 desambra ny Andro maneran-tany momba ny toetr’andro. Olana lehibe sedrain’ny firenena rehetra ny voka-dratsin’ ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny fiakaran’ny hafanan’ny tany vokatry ny fisi­an’ny entona mangeja hafanana be loatra manimba ny sosona ozona. “Efa manana sampanasa efatra ny orinasam-pifandraisana Orange iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro indrindra ny fiakaran’ny hafanan’ny tany amin’ny tanjona “Net zero carbone”. 55% ny tahan’ny angovo ma­i­tso (azo havaozina ) amin’ny angovo ampiasain’ny orinasa andavanandro mampihodina ny sehatrasany manerana ny Nosy”, araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny, Frederic De­bord, omaly teny Ankoron­dra­no. Mikirakira ny rano sy ny herin’ny masoandro izy ireo ahafahana mampiasa teknolojia maitso mampihena ny entona “carbone”. Sehatrasa faharoa ny fampiasana ireo fitaovana efa niasa fa nohavaozina indray hokirakiraina amin’ny sehatra hafa. Dimy taona no nampiharan’ny orinasa io paikady io ary nanao sonia niaraka tamin’ny Orange any La Réunion ny tomponandraikitry ny Orange Madagascar tsy ela akory amin’ny hampiasan’ity farany ireo fitaovana marobe an’ny Orange any La Réunion mandritra ny telo taona hampihenana ny fanafarana sy fitaterana entana vaovao. Mifanin­dran-dalana amin’izay, efa manavao sy manamboatra ireo finday (Smartphone) efa niasa ho azo kirakiraina in­dray ny orinasa Orange ary mi­sy firenena efatra nananganana orinasa hisahana izay fotsiny nanomboka tamin’ity taona ity.
Ao anatin’ny fanamarihina ny Andro maneran-tany mo­mba ny toetr’andro, hanao fanentanana eny anivon’ny sekoly ny tomponandraikitry ny orinasa momba ny fiovan’ ny toetr’andro sy ny vokany ary ny fihetsika tokony hataon’ny tsirairay hampihenana ny fiakaran’ny maripana.

Vonjy

Partager sur: