Fiavian’ny fety: tafakatra 20.000 Ar ny kilaon’ny vatomamy

19 andro mialoha ny fiatrehana ny Krismasy, tsy mbola taitra amin’ny fividianana firavaka sy ny vatomamy ny olona. Hita taratra teny amin’ny tsenaben’Analakely izany, omaly.
Na izany aza, manomboka miakatra tsikelikely ny vidin-javatra. Tafakatra manodidina ny 20 000 Ar mahery ny vidin’ny vatomamy, raha manodidina ny 15.000 Ar amin’ny andavanandro. Manodidina ny 5000 Ar ny vidin’ny firavaka atao amin’ny fetin’ny Krismasy ao an-trano, toy ny “guirlande”, ary 30 000 Ar hatramin’ny 100.000 Ar mahery ny hazo noely artifisialy, arakaraka ny habeny.
Mangina ny tsena, araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivarotra, somary sahirana amin’ny adidy ao an-tokantrano ny olona, isan’izany ny saram-pianaran’ny an­kizy, ny vidin-jiro, ary ny vi­dim-panafody, amin’izao fi­rongatry ny aretina misy eto amintsika izao. Tsy mbola ao an-tsain’izy ireo ny fanomanana ny fetin’ny 25 desambra, andro natokana ankalazana ny Krismasy sady fetin’ny ankizy.
« Tsy mandeha loatra ny tsena satria tsy mbola fotoanany izao, ny olona mbola variana amin’ny fitadiavana ny saram-pianarana ny zanany, ny vidin-jiro. Nisafidy ny hivarotra « guirlande » aloha aho, mba ho fantatry ny olona ny saran’izany amin’izao fotoana izao. » hoy i Claire, renim-pianakaviana mpivarotra.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: