Foiben’ny arsivam-pirenena : horesahina ny mpitsidika ny mozea

Anisan’ny fiovana lehibe amin’ny fomba fiasan’ny foiben’ny Arsivam-pirenena eny Tsaralalana ny fanatanterahana tsy miato ny «Atri­kasa 2022». Lohahe­vitra sy mpandaha-teny maro no efa nifandimby nanatontosa iza­ny.
Ho an’ny 9 desambra izao, hifantoka amin’ny «Ny mpitsidika ny mozea sy ny asa fikajiana ny vakoka» ny velakevitra hoentin-dRaza­findramboa Marie Hortense, mpitahiry vakoka.

Amin’ny ankapobeny, manomboka mitodika amin’ ny vakoka ny Malagasy, an­kehitriny, raha oharina amin’ ny tany ambadiky ny 15 taona lasa.

… Na izany aza, mbola tsy ampy ny fampahafantarana ny lanjan’ny mozea sy ny vakoka raha ny eto Madagasikara. Mbola mila fanabeazana mifanandrify sy mifandraika amin’izany ny tanora. Sehatra iray tokony hampitana ny maha zava-dehibe ny vakoka sy ny mozea ny any an-tsekoly. Hatramin’izao anefa, tsy mbola azo ambara ho manome lanja ny tahiry sy ny fitahirizana (vakoka sy mo­zea…) ny fandaharam-pianarana misy ankehitriny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: