Herinaratra : andrasana ny tetikasa Volobe II Toamasina

Anisan’ny nandray anjara nandritra ny hetsika ara-toekarena faritra Atsinanana (1-3 desambra) sy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (23-25 oktobra) teo ny tetikasa Volobe II. Efa nanaovan’ny governora Rafidison Richard Théodore, antso avo, nandritra ny fanokafana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo, ny tokony hanomezana ny fahazoan-dalana hiasan’ny tetikasa ataon’ny orinasa Compagnie générale d’hydroélécricité de Volobe (CGHV). Hiompana amin’ny fananganana toby mamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano any Volobe Fanandrana ny tetikasa.
Hahazo tombontsoa aminy ny famatsiana herinaratra eto Toamasina sy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Hampidina ny saran’ny herinjiro, izay isan’ny lafo ny eto Toamasina, ka handrisika ny tsy miankina hampiasa vola hanangana orinasa aty an-toerana.

Mahatratra 1.500 ny asa hiforona
Fantatra koa fa efa nankatoavina ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, ka ny avy amin’ny filoham-pirenena sisa no andrasana.
Mandritra izany, efa maro ny asa sosialy fanampiana ny mponina nataon’ny CGHV. Miisa 150 ny tetezana vitia, miampy fanarenana na fanamboarana sekoly, ary mirefy 26 km ny lalana namboarina na nareniny. Hahatratra 1.500 ny asa hiforona. Manohana ny tanora hisehatra amin’ny fandraharahana koa ny orinasa.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: