Nampiasa vola sandoka : ankizy tsy ampy taona naiditra am-ponja

Tovolahy iray tsy ampy taona no nigadra rehefa avy niantsena tamin’ny vola sandoka teny Sabotsy Namehana. “Avy any ambanivohitr’Ana­la­vory ity tovolahy ity ka niakatra eto an-drenivohitra nitady hamelomana ireo fianakaviany”, hoy ny loharanom-baovao iray. Tsy nahavelona azy eni-mianaka intsony ny rainy ka nanampy azy nitady vola ity zanany.
Nanofa trano teny Sabotsy Namehana ireto mpianakavy kely ireto rehefa iray volana mahery teo izay, araka ny fanazavana. Araka izany, nikarama nanao dôkera ilay tovolahy ka nahazo karama 10.000Ar. “Vola sandoka anefa no azony tamin’izay, saingy tsy fantany izany amin’ny maha avy any ambanivohitra azy”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Taorian’ izay, nividy sakafo tamin’ny tsenan’ny sefom-pokontany iray izy. Tsikaritr’ ilay mpivarotra fa sandoka ilay vola ka noentiny teny amin’ny mpitandro filaminana ilay tovolahy. Niakatra fampanoavana ny raharaha. Ankehitriny, nigadra efa ho iray volana ny tenany, raha ny fitantaran’ny reniny. Ity farany izay tsy afaka nanati-tsakafo azy raha tsy indray mandeha monja, raha ny filazan’ny loharanom-baovao hatrany. Na­mbarany fa telo volana an­efa ny sazy miandry ity zanany. Hatreto, tsy nahazoana tatitra mahakasika ny tranga ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tena nisy, hoy izy ireo, ity tranga ity, saingy tsy afaka nitondra fanazavana izy ireo.

Mpisoloky
Ankoatra ity, voasambotry ny zandary avy ao Mian­drivazo koa ireo jiolahy roa lahy nisoloky vola sandoka taman’olona. Ny herinandro teo, nanatona olona iray monina tao amin’ny fokontany Ma­mo­tsatanana, kaominina am­bonivohitra Miandrivazo ireto jiolahy ireto. Nilaza izy roa lahy sy ny namany iray hafa fa afaka mampitombo vola. Resy lahatra ilay lehilahy ka nanome vola mitentina 4 tapitrisa Ar an’ireto olon-dratsy. Na­to­ky marina izy fa ho avo roa heny ny vola azo aorian’izay. Tonga ny fotoana nifanara­han’ny roa tonta. Tsapa ta­min’izay fa taratasy daholo ireo vola voalaza namboarina. Vokany, nitory teny amin’ny zandarimaria ilay lasibatra. Natao ny vela-pandrika ka tratra ny roa lahy nanao izany raha mbola karohina kosa ny atidoha nikotrika ny asa ratsy. Niaiky ny helony ireto jiolahy fa vola sandoka no noentina na­mitahan’olona. Ireo roa lahy kosa niakatra fampanoavana.

Henintsoa Hani

Partager sur: