Hiaka-dapa eny Tsimbazaza ireo mpikamban’ny governemanta, ny alakamisy sy zoma izao. Hifanatrika amin’ireo depiote izy ireo amin’izany, araka ny fandaharam-potoana amin’ny lahadinika. Hangotraka ny fihaonana eo amin’ny roa tonta..
Efa nandrangaranga ny hanangona sonian’ireo solombavambahoaka ny depiote Raholdina Naivo, ny herinandro teo manoloana ny fomba fiasan’ny minisitry ny Fitsarana sy ny minisitry ny Mponina. Anisan’izany ny nanapahana ny karaman’ireo mpirakidraharaha fitsarana, nitokona sy ny nanesorana ny talem-paritry ny Mponina any Vakinankaratra.
Delestazy, vidin’ny PPN, tsy fandriampahalemana
Nilaza ny handefa taratasy any amin’ny praiminisitra izy ireo raha tsy mivaha ireo olona ireo. Tsy fantatra ny tohiny hatramin’izao. Eo koa ny lafiny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Efa tonga teny Mahazoarivo, nihaona amin’ny lehiben’ny governemanta ireo depiote sasany niara-nikaroka vahaolana. Mbola mirongatra hatrany anefa ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ny olan’ny delestazy, tsy misy fiafarany ity hatramin’izao. Manampy izany ny mosary niteraka faty olona, ny fiakaran’ny vidin’entana (PPN)…
Fanenjehana ireo tsimatimanota
Tsiahivina fa hifarana ny 16 desambra izao ny fe-potoam-pivoriana faharoa eo anivon’ny Antenimierampirenena. Tsy anisan’ny tafiditra tamin’izao lahadinika izao ny handaniana ny tolo-dalàna , hiarovana ireo varira sy ny fandaniana fanintelony ny momba ny lalàna ho an’ny toaka gasy.
Manao veloma koa fa tsy mbola mahamaika ireo depiote ny hampiakarana ny raharaha momba ireo mpitondra ambony eny amin’ny Fitsarana avo (HCJ), natao hitsara ireo tsimatimanota…
Na izany aza, anisan’ny handalo fankatoavana ny tolo-dalàna momba ny fisitrahan’ny mpanakanto ny zony.
Synèse R.