Tafaverin’ireo miaramila miasa ao Belo Tsiribihina, omaly, ireo omby voaroban’ ny dahalo tao Bemahasoa, kaominina Bezezika distrikan’i Mahabo. Voasambotra nandritra izay koa ny dahalo iray isan’ireo nandroba ireo omby miisa 38 isa. Azo ihany koa ny basy nampiasainy. Taorian’izay, natolotra an’ireo zandary mpanao famotorana ity malaso ity.
Ankoatra izay, nitrangana fanafihan-dahalo tao Andranonakoho fokontany Amboromihanto, kaominina Andranomavo distrikan’i Soalala ny alahady teo. Dahalo dimy lahy no nanafika tao an-toerana. Nandritra izany, nampandre ny zandarimaria ireo mponina. Tonga namonjy voina ireo mpitandro filaminana. Ora iray taorian’io, raikitra ny fifandonana. Lavo ny telo tamin’ireo mpanafika raha tafaporitsaka kosa ireo namany roa hafa.
Fantatra fa samy monina ao Andranovorilava fokontany Ambonarabe kaominina Mahabo distrikan’i Besalampy ireto malaso voatifitra. Fantatra ihany koa ny anarany. Hatramin’izao, mbola karohina ireo mpiray tendro tamin’ireto olon-dratsy.
Henintsoa H.