Tsenan’Analakely : nanadio ny lalana ny mpivarotra sy ny kaominina

Toy ny fanaon’ny fikambanana isam-bolana, nisy ny fanadiovana faobe natao nanomboka teny amin’ny Zaimaika hatreny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny omaly 6 desambra.
Ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina sy ny fahatsapan’ny fikambanan’ny mpivarotra eny amin’ny faritr’Analakely (Fimpizoa) ny anton’izany. Hetsika no­tan­terahina niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo Re­ni­vohitra (CUA) izay ny manohana ny fikambanana, amin’izao fanatsarana ny tanàna izao. Nodiovin’izy ireo avokoa ny manodidina rehetra, isan’izany ny lalana, ny sisin-dalana ary ny tatatra.
Tonga nanampy azy ireo teny an-toerana ny mpamonjy voina, izay nanadio tamin’ny alalan’ny rano, ny polisy monisipaly, nandrindra ny fifamoivoizana, ary ireo sampandraharaha samihafa eo anivon’ny CUA, misahana ny fandaminana maro samihafa.
Marihina fa, mbola hitohy ha­trany ny fanadiovana ireo tse­­na lehibe eto an-drenivohitra.

Fitia ( Mpianatra Asa)

Partager sur: