Hatao ny talata 20 jona 2023 ny fanadinana CEPE. Hotanterahana ny alatsinainy 3 jolay 2023 ka hatramin’ny alakamisy 6 jolay 2023 kosa ny fanadinana BEPC, araka ny didim-panjakana laharana 32731/2022/MEN navoakan’ ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny 5 desambra lasa teo izay mifehy ny tetiandro hanatanterahana sy fisokafana ary fikatonan’ny fisoratana anarana ho amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ny taom-pianarana 2022-2023. Mikasika ny fisoratana anarana, misokatra ny alatsinainy 23 janoary 2023 ka hatramin’ny zoma 24 marsa 2023 amin’ny 4 ora hariva izany ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE, raha ny alatsinainy 30 janoary 2023 ka hatramin’ny zoma 31 marsa 2023 amin’ny 4 ora hariva ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC, araka ny fanambarana nataon’ny tale jeneraly misahana ny pedagojia eo anivon’ ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Raoniherijaona Andriamikatsilavo. Nanentana ireo mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra ary ireo talen-tsekoly izy amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany. Notsindriny manokana ihany koa fa mbola misy hatrany ny fanadinana CEPE raha ny rafi-pampianarana mihatra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Mbola mandalo dingana maromaro kosa ny “loi d’orientation” entina manova izany rafi-pampianarana izany, izay manafoana ny fanadinam-panjakana CEPE.
Vonjy