Miverina karohina indray ilay raim-pianakaviana nahazo fahafahana vonjimaika ny taona 2020 taorian’ny voka-pitsarana azy tao Toamasina, omaly. Voaheloka tamina raharaha fanolanana niharo vono olona izy.
Niakatra fitsarana ireo fito mianadahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana niafara tamin’ny vono olona tao Antsatokomby fokotany
Andilana kominina ambanivohitra Saranambana disitrikan’ i Fenoarivo atsinanana faritra Analanjirofo, omaly. Voaheloka higadra 15 taona an-tranomaizina ny raim-pianakaviany iray tamin’ireo fito ireo raha toa ka tsy tonga nanatrika ny roa hafa. Raha tsiahivina, nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireto fito mianadahy voatonotonona tamin’ny raharaha fanolanana ireto ny taona 2020. Tsy nipetraka intsony tao amin’ny tanàna fonenany arak’izany ity raim-pianakaviana voaheloka higadra 15 taona ity.
Fety nivadika fanolanana
Nandritra ny fetim-pianakaviana “famorana” tao amin’io toerana io no voalaza fa fototry ny olana. Nisotrosotro avokoa ireo mpanatrika ka anisan’izany ilay vehivavy namoy ny ainy. Niara-nisotro tamin’ny namany, voasaringotra ho tomponantoka tamin’ny fahafatesan’io vehivavy io koa ity farany. Nahitana ny kavin’ila an’ilay voaholana teny amin’ity namany ity. Taorian’ny fanadihadiana lalin’ny mpitsara ny toe-draharaha, voaheloka higadra an-tranomaizina 15 taona ny raim-pianakaviana iray. Marihina fa tsy hita popoka intsony ity farany taorian’ny nahazoany fahafahana vonjimaika.
Sajo/Tsiferana R.