« Zarasehatra » ba gasy : vahin’ny SBG ny Aro KF

Mizotra araka ny nandaminana azy ny fandaharam-potoana nomanin’ny Sehatra Ba Gasy (SBG). Ny asabo­tsy 10 desambra izao, ma­nomboka amin’ny 2 ora sy 30mn tolakandro ka ha­tramin’ny 5 ora hariva, ao amin’ny Aro Antsahavola, roso amin’ny «Zarasehatra» mamaramparana ny taona 2022 ny SBG.

Fantatra fa ny tarika Aro Kanton’ny Fa­hiny, izao ao anatin’ny trano fiantohana Aro no hiaka-tsehatra amin’ io fotoana io. Amin’ny maha zara sehatra azy, hisy hatrany ny fandraisana anjaran’ ny mpanatrika. Afaka hifanakalo traikefa sy fahaiza-mitendry ary fahaiza-mihira ireo ho avy eny an-toerana. Marihina fa tontosa ta­min’ny 3 desambra teo, tao amin’ny Ivontoe­ran’ny ko­lontsaina Mala­ga­sy etsy Antsahavola (IFM) ny «atrikefa» nokarakarain’ny SBG.
Raha tsiahivina, anisan’ ny imasoan’ny Sehatra Ba Gasy ny fampitiavana ny Malagasy sy ny fampivelarana ity gadon-kira ity eo amin’ny sehatra lehibe ha­trany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: