Nirefodrefotra ny basy tao Ankazobe, afakomaly. Nandriaka tanteraka ny ra rehefa nifandona ny zandarimaria sy ny andian-dahalo, ekipan’Iaris. Vokany, dahalo iray lavo, roa hafa azo velona niaraka tamin’ny basy vita gasy. Zandary iray ihany koa maty voatifitra nandritra ny fifandonana. Manao hetsika manokana any an-toerana ireo zandary ao Ankazobe, hatramin’ny voalohan’ny volana teo. Nisy, araka izany, ny loharanom-baovao voaray nilaza fa nandalo tao amin’ny fokontany Anjezika, kaominina Mahavelona ireo andian-dahalo 15 isa, tarihin’ Iaris. Ny tatala teo, nidina tany an-toerana ny zandarimarian’ Ankazobe sy Tolojanahary hanenjika ireo malaso. Tokony ho tamin’ny 05 ora maraina teo, nifanehatra ny roa tonta. Nahery vaika ny fifandonana ka tsy nijanona raha tsy efa tamin’ny 7ora sy sasany maraina teo. Taorian’ izay, noentina vonjimaika teny amin’ny hopitalin’Anosiala ilay zandary kilasay voalohany voatifitra tao amin’ny lamosiny. Tsy tana anefa ny ainy noho ny voina mafy nahazo azy. Raim-pianakaviana 30 taona ilay zandary, namela kamboty iray sy vady mitondra vohoka ity raim-pianakaviana niasa tao Tolojanahary ity. Afakomaly hariva, niainga tao Ankazobe nihazo an’i Maevatanana any an-tanindrazany ny vata-mangatsiakan’ity mpitandro filaminana ity.
Henintsoa H.