Ambanan’ny aretina homamiadana ny olona manana toe-tena varira any atsimon’ny Nosy. Mijaly izy ireo satria sady tsy manana fahafahana hiaro tena amin’ny aretina no iharan’ny fakana an-keriny.
Manohy ny fitetezam-paritra any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny mpitarika ny fikambanana varira eto Madagasikara izay tarihin’ny filohany Soja Fulgence. Tsikaritra nandritra ny fidinana ifotony fa tandindomin-doza ireo varira. Ankoatra ny fangalarana sy famonoana azy ireo dia ahina ho voan’ny homamiadan’ny hoditra avokoa ireo olona varira any atsimon’ny Nosy ireo.
Antony mahatonga izany ny toetr’andro mahamay manamaina ny hoditra. Tsy misy ny fanafody arifomba ampiasana ho fiarovana amin’ny masoandro ka tena ahina mafy ny aretin’ny homamiadana ho azy ireo ary efa misy ny fambaran’aretina miseho, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana varira.
Misy ny fiaraha-miasa amin’ny farmasia iray any Italia amin’ny famatsiana ny “crème solaire” ho an’ireo varira any atsimo ireo ka hanatanteraka ny fizarana izany izy ireo aoriana kely.
Faritra telo dia ny ao Atsimo Andrefana, Anôsy ary Androy no nanaovana ny fidinana ifotony. Voakasik’izany ny distrika maromaro toy ny any Amboasary, Betroka, Taolagnaro, Ambovombe, Ampanihy…
Tetsy andaniny, fantatra ihany koa fa tsy mianatra avokoa ny 95%-n’ireo ankizy varira any atsimon’ny Nosy. Matahotra ny amin’ny ain-janany ny ray aman-dreny ka aleony ajanona ao an-trano. Lavitra ny tanàna rahateo ny fianarana ka sarotra ny fandriampahaleman’ny ankizy. Manampy trotraka ny fahantrana lalina iainan’ny fianakaviana izay tsy hahafahana mampiana-janaka.
Misy fanomezan-toky fitaka
Mitondra tenin’ireo olona manana toe-tena varira ny filohan’ny fikambanana amin’ny tsy rariny mihatra amin’izy ireo sy ny fampanantenana poakaty omena azy ireo. Nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny varira, ny 13 jona teo, tao Taolagnaro, nilaza ny tomponandraiki-panjakana fa hiantoka ny fianaran’i Bertrand, zaza varira nisy nangalatra saika hatao sorona. Mitaraina anefa ny ray aman-drenin’io zaza io fa tsy nisy tohiny ny fandraisana an-tanana ny fianaran’ilay zaza. Tsy mbola mianatra io ankizy io hatramin’izao. Nampanantenaina ihany koa fa horaisina ho mpiasam-panjakana ilay mpampianatra Fram izay manana toe-tena varira kanefa hatramin’izao, tsy nisy tohiny.
Tatiana A