Fiovan’ny toetr’andro: ilaina ny fiantohana ny fambolena

Araka ny fanadihadiana nataon’ny SFI*, tsy misy fiantohana momba ny fambolena eto Madagasikara, nefa betsaka ny iharan-doza, vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ankehitriny. Tsy vitsy ny tantsaha maniry ny hisian’ny fiantohana momba ny voly, hita izany eto amin’ny faritra Analamanga, araka ny fanadihadiana na­taon’ny Banky iraisam-pirenena. Matetika loatra ny tondra-drano, hain-tany na rivodoza manimba ny volin’ny tantsaha, ka sarotra aminy ny manarina izany amin’ny asa mahazatra azy, antony iray lehibe mahatonga ny tsy fahampian’ny vokatra, ny fifindra-monina aty amin’ny tanàn-dehibe ka lasa mivarobarotra fotsiny sisa ny fivelomana.
Koa, ilaina eto amintsika ny fiantohana miaro amin’ny loza voajanahary, na ho an’ireo mpamboly madinika latsaky 1 ha aza. Efa misy ny fikambanan’ny mpamboly eo andalam-pandinihana izany. Misy koa ireo mpandraharaha sy ireo trano fiantohana mamolavola izany tolotra izany.

Vary, katsaka, lavanila, jirofo
« Mampirisika ny tantsaha, hanatsara ny famokarany ny fisian’ny fiantohana », hoy ihany ny SFI. Efa nandray ny andraikiny ny fanjakana amin’io raha nanolotra lalàna momba ny fanavaozana, ka kendrena ny fanalalahana ny sehatry ny fiantohana. Endri­ky ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka hafa.
Heverina hatomboka amin’ny 2023 ny tolotra fi­anto­hana ho an’ny voly vary, ka­tsaka, lavanila, ary jirofo, satria manan-danja amin’ny fihariana. Fa ny fiantohana momba ny fambolena koa, azo raisina araka ny fotoam-pambolena na fampiasana karazana masomboly tsara, afaka miady amin’ny hain-tany, ohatra.

Ndrina

Partager sur: