Harena an-kibon’ny tany: hanana Bam i Fenoari­vo Atsinanana

Ankoatra ny sehatry ny voly fanondrana, toy ny lavanila, ny jirofo, ny letisia, manana harena an-kibon’ny tany koa ny faritra Analan­jirofo. Mila fitantanana ma­homby anefa izany, amin’ny maha harena tsy azo havaozina azy. “Izay no antony nametrahana ny Biraon’ny fitantanan-draharahan’ ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Fenoarivo Atsi­na­nana”, hoy ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier, nijery ny fizotry ny asa fananganana azy ao amin’ny fokontany Sahavola, ny 3 desambra teo.
Kendrena ho vita amin’ny martsa 2023 ity foto-drafitrasa ity. Naorina amin’ny velaran-tany mirefy 117 m2, nomen’ny prefektioran’Ana­lanjirofo. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny rano sy ny jiro.
Nilaza ny minisitra mpiahy an’Analanjirofo, ny jeneraly de corps d’armée ,Serge Gellé, fa ho loharanon’asa, hanafoana ny halabotry, hampiroborobo ny faritra ny fisitrahan’ny mponina ny harena misy ao aminy. Enti­na hiadiana amin’ny fanararaotana ny fisian’ny Bam any Analanjirofo. Nanatrika ny fotoana koa ny solombavambahoaka, sady lehiben’ny vaomiera harena an-kibon’ny tany, Mohamad Ahmad.
Tsiahivina fa anisan’ny ananganana ity birao ity koa ny any Sava sy Menabe.

Njaka A.

Partager sur: