Nijabaka

Tafapetraka soa aman-tsara ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsipahan’ny solombavambahoaka ny fitokisana ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tapitra rahampitso rahateo ny fe-potoana, tsy maintsy handefasana izany anaty fifidianana ampahibemaso azon’ny besinimaro hatrehana, ao Tsimbazaza, araka ny voatondro amin’ny Lalàmpanorenana malagasy. Mihazakazaka ny raharaha, tsy nampoizina ny zava-niseho tao anatin’ny 48 ora monja, afakomaly sy omaly. Hatramin’ny mpanohana ny fitondrana no mahasahy mitsipaka ny olona napetraky ny Filoham-pirenena izay tohanany. Asa, naninona loatra re ? Ny Filoha Rajoelina Andry, izay fantatra araka ny vaovao farany heno, fa tsy mankasitraka ity fitsipaham-pitokisana ity.
Mazava be fa ny fitondrana, izay tarihiny no tandindonin-doza, raha vao lany soa aman-tsara ity fitsipaham-pitokisana ity. Miverina aotra rahateo ny ezaka nataony tao anatin’ny efa-taona satria azo antoka fa hiala tsikelikely ny mpiara-miombon’antona tekinika sy ny mpanohana ara-bola. Ho banky rompotra ny fanjakana, tsy hilamina ny firenena. Izany no miandry azy sy ny fitondrana tarihiny. Midika faharavana raha fehezina.
Mba efa nisaina izany ve ireto solombavambahoaka, milaza fa tokam-po amin’ny Filoha ireto? Raha ny fanadihadiana natao omaly, hita ho nijabaka na najabaky ny antoko politika hafa mpanohitra fitondrana izy ireo. Mety ho nitady tombony be loatra noho ny fitiavan-tena ka mety hatombon’ny heviny ihany raha tsy mahay. Tsy atao mahagaga anefa izany, raha ny fomba fisainana nitondran’ny mpanao politika malagasy ny asany sy ny fanaony. Ny tenako aloha vao ny vahoaka sy ny tanindrazana.
Izany eo ihany! Fa na inona antony, hivoizana ny fitsipaham-pitokisana, ny vahoaka madinika hatrany no mahita faisana. Tsy misy ny vahaolana amin’ny olana sosialy hatrehina sy hiara-mizaka. Lany andro amin’ny fanovan’ olona, izay samy manana ny fomba fiasany ny fitondrana. Ny eo tsy mahavita ny iraka ankinina aminy dia esorina. Izay hapetraka eo, tsy misy antoka fa afaka hijery ny olan’ny mponina. Ny fotoam-pifidianana rahateo efa afaka 11 volana. Tsy misy fahagagana azo antenaina satria efa hifototra any amin’ny ady lahy politika daholo indray ny mpiantsehatra rehetra. Inona moa fa sasatry ny mandrava sy manarina eto isika mianakavy. Mijabaka!

r.r

Partager sur: