Saika hanafika: jiolahy iray maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny polisim-pirenena ny alin’ny talata alina teo ny jiolahy iray isan’ireo saika hanafika teny Ambohimirary. Azo ny basy ny nampiasainy, karohina fatratra ireo namany.

Nanakoako ny feom-basy teny Ambohimi­rary ny talata teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Nifampitifitra ta­min’ny polisy ireo andian-
jiolahy saika hanafika trano teny an-toerana. Tsy nahatohitra ireo mpitandro filaminana ane­fa ireo olon-dratsy. Voka­ny, jiolahy iray lavo, azo nandritra izay koa ny basy vita gasy nampiasainy. Ankehitri­ny, atao hazalambo ireo namany izay tafaporitsaka tamin’ny fifandonana.
Saika hanafika trano iray teny an-toerana ireo jiolahy mitam-basy no nifanehitra ta­min’ireo polisy mpanao fisafoana teny amin’ny arabe. Na­napoaka basy avy hatrany anefa ireto olon-dratsy vantany vao nahatazana ireo polisy. Etsy ankilany, tsy nanaiky lem­benana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifampitifirana. Lavo voatifitra ny iray tamin’ireo mpanafika. Azo teny aminy ny basy poleta nampiasainy. Tafaporitsaka kosa ireo namany hafa. Anke­hitriny, ifampi­tadiavan’ny polisim-pirenena ireo jiolahy tafatsoaka tamin’ity raharaha ity.
Tsy tanteraka

Taorian’izaya, nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny vata-mangatsiakan’ilay jiolahy lavo. Voasoroka ihany koa ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy. Ankoatra izay nogiazana ihany koa ilay basy azo teny amin’ilay jiolahy.
Tsy mitsahatra ny fisafoana ataon’ny polisim-pirenena eny rehetra eny na atoandro na alina. Indrindra any amin’ireo toerana mafana sy be olona eto andrenivohitra sy ny manodidina. Tsiahivina fa vao tao anatin’ny tapa-bolana monja niisa sivy ireo jiolahy lavon’ny polisy raha 106 isa kosa ireo voasambotra tamina raharaha maro samihafa.

Henintsoa Hani

Partager sur: