Tapitra ny ESA Parboil, na tetikasa fanaovana vary evoka, ao anatin’ny fandaharahasa Africa Rice, tohanan’ny sampana fampandrosoana alemà GIZ ara-bola. Tafakatra hatrany amin’ny 7ha/taonina ny vokatra azo avy amin’ity karazam-bary ity.
Nilaza ny lehiben’ny Africa Rice Madagasikara, ny Dr. Gaudiose Mujawamariy, fa tanjona ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra, iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara sy Mozambika.
Nanomboka ny taona 2022 ny tetikasa, raha efa tonga teto Madagasikara ny taona 2015 ny Africa Rice. Miisa dimy ny fikambanam-behivavy nahazo fiofanana sy fitaovana ilaina amin’ny vary evoka any Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsimo Andrefana, Sofia ary Menabe. Amin’ny maha fitsinjovana ny miralenta azy, nisy koa ny fiofanana fampivoarana ny tena, ny fitantanana fikambanana, ny fitantanam-bola ary ny fitadiavana lalam-barotra.
Notsorin’ny Dr. Gaudiose fa nahavariana ny namoronan’ireo vehivavy ny famonosana ny vary amidiny, izay vita tsara sady manintona ny mpividy.
Lasa manaja ny lehilahy
Aman’arivony ny vehivavy malagasy sy mozambikana afaka mamokatra vary ahazoana vokatra 7 taonina isaky ny hekitara, vokatry ny tohana nomen’ny Africa Rice, tao anatin’izay telo taona izay. Ho an’i Mozambika, avy any amin’ny distrika telo (Gaza, Sofala, Zambezia) ireo fikambanam-behivavy nisitraka ny tetikasa.
Nilaza Rtoa Rosalie Godin, avy any Alaotra Mangoro, fa lasa manaja sady manome lanja azy ny vadiny, rehefa nahita ny tombontsoa azony tao amin’ny fikambanam-behivavy Miharisoa. Mahasalama koa ny vary evoka, satria be otrikaina vitamina B1 sy B6, sady mety amin’ny olona misy diabeta.
Njaka Andriantefiarinesy