Tsy fahatomomban’ny fikarakarana ny fifidianana: nandrahona haka fanapahan-kevitra politika ny Tim

Nanao fanambarany ny eo anivon’ny Tim, tamin’ny alalan’ny filohany, Ravalomanana Marc, omaly. Nambarany tamin’izany fa handray fanapahan-kevitra ara-politika lehibe momba ny zotram-pifidianana eto amin’ny firenena izy ireo raha tsy misy ny fepetra raisina hanarenana maika izao tontolo manodidina ny fifidianana izao. Notanisainy tamin’izany fa tsy milamina ary tsy azo antoka ny fanomanana ny fifidianana ankehitriny. “Tsy hita taratra ny fahavononan’ny mpitondra hanatanteraka fifidianana madio sy milamina”, hoy izy. Nohitsiny tamin’izany fa anton’izao fanambarana izao ny ho fisorohana ny savorovoro sy ny korontana, haterakin’ ny fifidianana ratsy fanomanana sy tsy andraisan’ny rehetra anjara.
Anisan’izany ny tsy fahatomombanana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Sarotra ny hahazoana lisitra feno sy madio hanatanterahana ny fifidianana amin’ny taona 2023 raha izao zava-misy sy fomba fiasa izao no mitohy.
Fahalalahan’ny antoko politika…
Eo koa ny tsy fahamatorana amin’ny fikasana hanalava ny fotoana hanavaozana ma­nontolo ny lisitry ny mpifidy. Tolokevitry ny Tim ny hanomezana malalaka ny antoko sy fikambanana politika rehetra hanao ny fanentanana ny fiainana ara-politika manerana ny Nosy. Zo omen’ny lalàna azy ireo rahateo izany. Hajanona tsy misy hatak’andro ny fanaovana « jugement supplétifs » sy ny fanaovana karapanondrom-pirenena faobe. “Mety hiteraka hosoka sy tsy fifampitokisana izany”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, tsy ampy hanatanterahana ireo fifidianana tokony hatao ny tetibola voasoratra hanatanterahana izany amin’ ny taona 2023 raha ampitahaina amin’ny teo aloha sy ny fanambaran’ny Ceni”, hoy ihany izy.
“Mbola manamafy ny antso ny amin’ny tokony ha­na­tanterahana ny fikaonandoham-pirenena izahay mba hametrahana ny fitsipika hifehezana ny fifidianana ifanarahana sy mampitovy zo ny kandida rehetra”, hoy ny Tim.

Synèse R.

Partager sur: