Efa betsaka ny mampihatra ny ala vadimboly eto Analamanga, Atsinanana sy any amin’ny tapany avaratry Nosy, ireo mpamboly kakao. Betsaka ny tombontsoa azo avy aminy ho an’ny tantsaha, mahazo vokatra, toy ny katsaka, tsaramaso, mangahazo, sns … Mahazo vokatra hafa ihany koa avy amin’ilay hazo voleny, toy ny voankazo isan-karazany hohanina na amidy. Azo ahazoana hazo koa hampiasaina hatao kitay, sns, araka ny notaterin-dRtoa Razafimbelo Tantely, talen’ny laboratoara Radioisotopes, Oniversite Antananarivo.
Misy tombony maromaro izany azon’ny tantsaha, fa tsy mionona fotsiny amin’ny vokatra mahazatra. Any Atsinanana, afaka miaraka amin’ ny voly jirofo, misy koa ny ala vadimboly azo atao fefin’ ny voly.
Azo ampiasana manerana ny Nosy miankina amin’ny toerana izany . Ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Agrisud nahafantarana fa hazo fihinam-boa tena fanirian’ny maro, fa ny olana matetika eo amin’ny tantsaha ny fahefa-mividy satria vidiana ny masomboly.
Ndrina