Maty vokatry ny hatezeran’ny fokonolona ireo roa lahy nanafika tao amin’ny fokontany Tandrokosy kaominina Bemanonga, distrikan’i Morondava. Ny alarobia teo nahazo antso ny zandary fa nanafika tao amina tokantrano iray tao an-toerana ireo jiolahy tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Fantatry ny fokonolona avokoa ny mombamomban’ireto mpanafika. Samy monina ao Sahaedena tsy lavitra eo ihany izy sy ny namany iray nanao ity asa ratsy ity. Vokany, nanara-dia avy hatrany ny fokonolona. Araka izany, voasambotra tao Sahaedena ny roalahy niaraka tamin’ireo entana halatra. Tafaporitsaka tany anaty ala kosa ilay namany iray hafa.
Tohina mafy tamin’ny fandrobana vitan’izy roalahy anefa ny fokonolona. Tapaka fa hanaovana fitsaram-bahoaka ireto jiolahy ka novonoina ho faty. Mbola niezaka nanakana izany ny zandary saingy tara fahatongavana. Taorian’izay, natolotra ny fianakaviany ireo nofo mangatsiaka.
Nanentana ny mponina ao an-toerana ny borigadin’ny zandarimaria ao Morondava mba tsy hanao fitsaram-bahoaka. Nambarany fa anjaran’ny fitsarana mahefa no mandray an-tanana ny momba ireo jiolahy mpanao asa ratsy.
Henintsoa H.