Tsy lany araka izay voasoritry ny sora-bola ny vola azon’ny fanjakana avy any amin’ny mpamatsy vola. Mila hahitsy sy hatsaraina ny fomba fitantanana ary hamafisina ny fifanakalozana antontam-baovao ho an’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka.
Natao, omaly, ny atrikasa nampahafantarana ny tomban’ezaka sy ny fitakiana voarakitry ny fanadihadiana mikasika ny tahan’ny fandaniana ny volam-panjakana eto Madagasikara.
Nitarika azy ny holafitry ny prezidansa amin’ny alalan’ ny Fandaharanasa fanarenana mba hampahomby ny fitantanana ny raharaham-panjakana (PREA), tohanan’ny Usaid sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud), ao anatin’ny fandaharanasa Rindra.
Tanjona ny hanatsarana ny fitantanana ny famatsiam-bola azon’ny fanjakana sy ny fandaniana azy. Fantatra fa nahatratra 793 tapitrisa dolara ny vola azon’ny fanjakana, ny taona 2021. Misy amin’ireo ny fanomezana, ny fanampiana ny fifandanjan’ny vola miditra sy mivoaka, ny vola indramina sy trosaina.
Raha ny tarehimarika farany, nahatratra 64,5% ny tahan’ny fandaniana ny sora-bola azo, ny taona 2015. Manodidina ny 500 tapitrisa dolara ny salanisan’ny fanampiana ara-bola azo isan-taona. Nilaza ny sekretera jeneralin’ ny prezidansa (SGP), Rtoa Pelandroy Espérance, omaly, fa mila hatsaraina izany ny tahan’ny fandaniana ny vola azo, ka tanjona ny hanatrarana ny 80 na 90%.
Tsy ampy ny firindran’ny asa
“Isan’ny sakana nahatonga izany ny tsy firindran’ny asa, mitsitokotoko ireo mpiantsehatra samihafa. Ilaina koa ny fifanomezam-baovao mitohy amin’ireo mpiara-miombon’antoka”, hoy ihany Rtoa Pelandroy Espérance. Isan’ny vahaolana azo atao ny hananganana toerana iray ahitana ireo sehatra voakasika rehetra (guichet unique), ohatra.
Mifantoka amin’ny lohahevitra telo ny toromarika apetraky ny vovonana Aid Management Platform (AMP), nanao ny fanadihadiana sy ny tombana. Voalohany, fampiasana araka izay tratra ireo rafitra samihafa sy ny fanamafisana ny fifandraisan’ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka. Voakasik’ izany ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitsinjaran’andraikitra ary mila mazava ny politikam-panjakana. Faharoa, ny fanitsiana ny dingana arahina sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao mitohy, ao anatin’ ny mangarahara ny fitantanam-bola. Fahatelo, ny fanombanana mitohy ny zava-bita, mila tatitra mikasika ny antsipiriany rehetra ao anatin’ny fandaharanasa ary apetraka ao anatin’ny fifanakalozam-baovao mahomby sady tsy ankiato .
Njaka Andriantefiarinesy