KFW -MNP : fanampiana ireo mponina manodidina ny faritra arovana

Natao omaly tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny sonia teo amin’ny banky alemaina KFW sy ny fanjakana malagasy, nosolo­in’ny minisiteran’ny Toekare­na sy vola ary ny MNP, eo am­bany fiahian’ny minisiter­an’ny Tontolo iainana.
12 tapitrisa euros, dingana faha-5 izao azo avy amin’ny banky KFW izao hanohanana sy hitantanana ireo faritra arovana (Madagascar National Parks) 43 manerana ny Nosy. Ny atao indrindra amin’izany, ankoatra ny fitantanana ireo faritra arovana, dia ny fanampiana ireo mponina manodidina hanana anton’asa hafa mba tsy hidirana any amin’ireo faritra ireo, tetikasa Agirap (1).
Misy avy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanofanana ny mponina manodidina hahita tombony amin’ny fiarovana ny ala voajanahary, araka ny filazan’ny mpamatsy vola.
Manamafy ny fiaraha-miasa ny roa tonta, KFW sy Madagasikara, indrindra ha­ne­hoana ny fitantanana sy fampitaovana any amin’ireo faritra arovana.  Tany am-boalohany, ny ala Akarafantsika ihany no narovana, fa taty aoriana, nanomboka 2009, 2010 nitohy tamin’ny faritra hafa ny fiaraha-miasa ary misitraka izany daholo ireo faritra arovana miisa 43.
Nisaotra ny fanjakana alemaina, Atoa Germain, tale je­ne­ralin’ny hetra, solontenan’ ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, nanao sonia fifanarahana niaraka tamin-dry zareo Alemaina.
Tsiahivina fa efa nisy famatsiam-bola toa io ihany tamin’ny 2018 avy amin’ny KFW ho fampiroboroboana ny angovo azo havaozina PERER (2) sy ny MNP, 12 tapitrisa euros ; tamin’ny 2021 ho an’ny FAPBM (3), 45,7 tapitrisa euros. Aiza ho aiza izao ny tomban’ezaka tamin’ireo tetikasa ireo ?

Ndrina

AGIRAP (1) : Appui à la gestion intégrée du réseau des aires protégées
PERER (2) : Promotion de l’électrification par les énergies renouvelables
FAPBM (3) : Fondation pour les aires protégées de Madagascar

Partager sur: