Nakatona ny ENS : nahita vahaolana iraisana ny mpianatra sy ny MEN

Nanao fanambarana ny fi­a­didiana ny oniversiten’An­ta­nanarivo fa mikatona nanomboka ny 7 desambra lasa teo hatramin’ny fotoana tsy voafetra ny Ecole normale supérieure (ENS) eny Ampefiloha hitandrovana ny filaminana sosialy. Tsy nanao fampilazana mialoha ny hanao fitokonana ireo mpianatra ireo ka hoentina eny amin’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezan’ny oniversite ny mahakasika ireo izay nitarika ny hetsika teny Ampefiloha. Nanambara kosa ireo mpianatra fa efa nanao filazana fitokonana ny zoma lasa teo rehefa tsy mahazo valiny avy amin’ny tomponandraikitra mahefa ny fiandohan’ny herinandro.
Etsy andaniny, efa nihaona koa ny solontenan’ny mpianatry ny ENS sy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly , ka nanambara ny tale jeneraly misahana ny pedagojia eo anivon’ny minisitera ; Raoniherijaona Andriamika­tsi­lavo, fa nahita marimaritra iraisana ny roa tonta. Tapaka fa hisy fandraisana mpianatra vaovao amin’ny taona 2023 ka hoezahana ampidirina ao anatin’ny lisitra ireo mbola tsy voaray tamin’ity taona ity. Nomarihiny koa fa tsy hisy intsony ny fandraisana mpampianatra Fram vaovao fa fikarakarana ireo nisoratra teo aloha no atao, amin’izao fo­toana izao.

Vonjy

Partager sur: