Anisan’ny naneho hevitra ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, mikasika ilay fanangonan-tsonian’ny solombavambahoaka miisa 105 hanaovana fitsipaham-pitokisana ny govnernemanta. Nambarany fa fahefana feno ananan’ ny Antenimieram-pirenena tokoa izany, fa tokony ireo solombavambahoaka avy amin’ny fanoherana no manao azy. Hita fa nisy tamin’ireo depiote 105 nanao sonia avy amin’ny IRD, izay midika fa fivadiham-pitokisana amin’ny filohan’ny Repoblika, midika tsy fahatokisana azy. Notohizany koa fa adidy azon’ny mpiara-dia entina ny manome angom-baovao sy antontan-kevitra ho an’ny filoham-pirenena, manampy izay efa ananany, mba ahafahany mandray fanapahan-kevitra ara-potoana sy mametraka ny paikady rehetra. Azo heverina fa famadihana tanindrazana fara-tampony (haute trahison) atao amin’ny filohan’ny Repoblika, izay antom-pisian’ny vovonana IRD.
Fanapotehana ny zava-bita rehetra
Notsiahivin’ny minisitra, fa betsaka ny asa fampandrosoana vita nanomboka ny taona 2019, fa maro koa ny miandry. Koa, midika ho fandravana sy fanapotehana ny ezaka vita rehetra ny firosoana amin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Ho ravana ve ny fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka PTF ?
Koa, miantso fitoniana sy fiaraha-mientana ny minisitry ny Rano, hanatanterahana ny Velirano 13. Antsoiny koa ireo deipiote IRD hampiato ny fitsipaham-pitokisana, fa hanaraka ny fandaminan’ny filohampirenena. “Manana etika ny praiminisitra sy ny minisitra, fa ny segondra handraisana ny fepetra no fotoana hanekena ny fanesorana ary tsy asiana fanotaniana hoe fa nahoana, na hoe inona ny antony?”
Njaka A.