Rava maina indray ny fitsipaham-pitokisana saika hataon’ny solombavambahoaka ny governemanta, izay tokony hatao anio ny fandaniana azy ampahibemaso. Voalaza fa tsy nanaraka ny fenitra sy ny lalàna manankery ilay antontan-taratasy ka tsy mitombina. Mazava be, mitsotsotra sy afaka mandamindamin-tsaina ny praiminisitra sy ny ekipany. Afaka manohy ny asany am-pitoniana koa ny mpitondra rehetra, indrindra ny Filoham-pirenena. Efa nampanahy ny mpanara-baovao politika manko ny ho fiafarany raha tahiny nandeha tokoa ilay fananganan-tanana mandrava governemanta izay napetraka. Efa nisy aza ny sangisangy zary tenany nataon’ny olona, amin’ny tsy tokony handehanan’Atoa Rajoelina Andry any Etazonia, amin’ny herinandro ambony. Sao sanatria hanara-dia ny filoha Zafy Albert tamin’izany fotoana. Any am-pamitana iraka no maheno fa lany teny anivon’ny Antenimierampirenena ny fanonganana azy na ny “Motion d’empêchement”. Tombony lehibe ho azy ny nahafaty momoka ity ketriky ny depiote, amin’ny fitsipaham-pitokisana ity.
Na izany na tsy izany, vanim-potoana tokony hametrahan’ny mpanatanteraka fanontaniana lalina amin’ny fomba fiasany ireny zava-niseho ireny. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra intsony na iza na iza nomem-pahefana ho tsy azo hozongozonina. Porofo mivaingana ireny amin’ny fifampitsapan-kery amin’ny samy andrimpanjakana sy ny olona ao anatiny. Mbola vao resaka fitsipaham-pitokisana no mandeha, efa mikoropaka sy milomay manondraka rano ny afo daholo ny rehetra. Manginy fotsiny ny kilalao tsy mazavazava any ambadika rehetra any. Iray taona mialoha ny fotoam-pifidianana, mikaonty avokoa ny zava-miseho na izay heverina ho faran’izay bitika indrindra aza. Anisan’ny tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fitondran-tena sy ny fifampitondrana anatin’ny rafitra misy. Izay rahateo no anisan’ny pitikafo saika nandrehitra ny trano.
Mifanindran-dalana amin’izay, maro ny sorena na betsaka aza no tsy gaga tamin’ny fiovan-kevitra teny Tsimbazaza, tsy ampy 24 ora taorian’ny fametrahana ilay taratasy fitsipaham-pitokisana, afakomaly hariva. Taratry ny tsy fahamatoran’ny mpisolovava ny vahoaka ireny. Ankoatra ny ahiahy tamin’ny sonian’ny sasany nikasa hanongana, misy koa ny olona tsy eto an-toerana mampanao sonia ny namany na “PO” amin’ny fitsipahana ilay fitsipaham-pitokisana. Tena mampibaribary ny politika tsy mendrika ataon’ny solombavambahoaka izany. Tsy mena-mivadika noho ny antony maro samihafa, tsy manana hazondamosina amin’ny ady ataony. Ankoatra izay ny mpitari-bato vilam-bava sy ny mpandrobodroboka fahatany miandry kendritohina ny hafa fotsiny.
Hamehezana azy anio, tsy madio ny kilalao politika eto Madagasikara. Ilay kianja filalaovana mihitsy no mikitaontaona hany ka izay baolina dakana mivilana, na misavoan-danitra , mivoaka tsy lera eny ambony kianja. Ankilany, ny mpilalao rahateo sasatra ny hitsofana kiririoka sy mahazo karatra mavo fampitandremana. Mivoaka miditra ny kianja, arakaraka ny tombontsoany manokana. Andaniny, ny mpanotrona, mijanona ho mpitazana fotsiny. Miandry izay voka-dalao, ka na mandresy na resy dia mety aminy foana. Tsy mba isan’ireo mpiantsehatra fototra mba mamorona ambiasy na mitondra ny anjara birikiny amin’ny famonoana baolina. Vokany, dia ho gaga ve isika mianakavy amin’ity faharesena lava amin’izay atao ity? Samy tomponandraikitra sy mpiray tsikombakomba amin’ny fahavoazana moa.
r.r