Tafaporitsaka : jiolahy 6 voasambotry ny zandary

Tratran’ny zandary ny 6 desambra lasa teo ireo jiolahy enina tafaporitsaka efatr’andro taorian’ny famonoana ireo namany. Tsiahivina fa nanafika ny tanàna iray ao amin’ny kaominina Ambodiriana izy ireo. Tratran’ny mpiambina ny tanàna teo am-pangalarana izy ireo, ka raikitra ny fifanenjehana. Jiolahy roa no matin’ny fokonolona tamin’io ary tafaporitsaka ny jiolahy ambiny. Marihina fa tratra nangalatra kisoa 2, akoho 9, gana 1 ary dokotra 1 izy ireo tamin’izany. Efatr’andro taty aoriana, izao tratry ny zandary izao ihany.
Hentitra ny zandary miasa any an-teorana ka nanadihady mangina. Vokany, notsimponina tsirairay izy 6 mirahalahy mianaka ireto. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona sy ny zandary nahatratrarana izao vokatra izao. Marihina fa tsy te hiasa fa. matanjaka amin’ny fanaovan-dratsy izy ireo raha ny tatitry ny zandary. Efa notanana am-ponja ny sasany tamin’ireo ka izao miverina amin’ny asa ratsiny izao indray raha ny fanazavana hatrany. Efa nalefa any am-ponja avokoa izy ireo taorian’ny niakarany fampanoavana . Antenaina mba ho tamàna taona maromaro any izy ireto mba tsy hanahirana ny mponina hoy ny lehiben’ny zandary tany an-toerana. Tsy manome vahana ny fitsaram-bahoaka ny zandary fa anjaranay ny mandray an-tanana ny raharaha, hoy ny zandary.

Mino (mpianatra Asa)

Partager sur: