Tetikasa ankizy krismasy : foana ny haban’ireo kaontenera

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanafohanana tanteraka ny haba sy hetra ho an’ireo kaontenera miisa 49 misy fanomezana natokana ho an’ireo ankizy sahirana eto Ma­dagasikara. Fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy miaraka amin’ny ONG Te­tikasa ankizy Krismasy (Tak) no hahatongavan’ireo fanomezana ho an’ny ankizy ireo. Ho tonga mialohan’ny fetin’ny Krismasy eto Mada­ga­si­kara izany kaontenera izany.
Avy amin’ny ankizy kristianina amerikanina sy kanadianina izay mahatsapa ny fahantrana aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana ireo fitaovana ho tonga ireo. Ho­za­raina maimaim-poana amin’ ireo akizy malagasy tena sahira manodidina ny 2 taona ka hatramin’ny 14 taona ireo fanomezana. Mitondra hafaliana sy fahafaham-po ho an’ ireo ankizy sy ny ray aman-dreny ao anatin’ny fetin’ny Krismasy ny fizarana izany.
Hotsinjaraina amin’ny fa­ri­tra 23 izany amin’ity taona ity. Hotanterahina eo ambany fi­ahian’ny minisiteran’ny Mpo­­­ni­na ny fanatanterahana ny hetsika fizarana rehetra. Ma­niry ny hiara-hiasa amin’ ny fi­kambanana Fitia izay tarihin’ ny vadin’ny Filoham-pirenena ihany koa anefa ny ONG Tetikasa ankizy Kris­masy.

Tatiana A

Partager sur: