Simba ny paompy mampakatra rano eny Amoronakona, nanomboka ny zoma 2 desambra teo. Tapaka, noho izany, ny famatsian-drano teny amin’ny faritra Ambohimahitsy, Ankotsirano, Ikianja, Ankadindambo, Ambohimangakely, Ambohimangakely Manambina, Ambovokely, Ambatomaro, Antsobolo, Ankandrina, Ampatsy, Soamanadrariny, Ambohibe.
Nohazavain’ny tale misahana ny rano ao amin’ny Jirama, Ramarosandratana Rija, omaly, nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Rano (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, nijery ny asa fanarenana ny simba, fa vokatry ny fiatoan’ny toby ao Amoronakona no nahatonga ny fahatapahana. Vinavinaina ho vita, omaly na anio ny asa rehetra ka hiverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano.
Hatsaraina ny eny amin’ny distrika 119
Ankoatra izany, nanamafy ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, fa miisa 69 ny toerana iandraiketan’ny Jirama manerana ny renivohi-paritra. Anisan’ny olana iraisana ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Mikasika ny eny anivon’ny distrika, miisa 79 no efa nanombohana ny asa fanatsarana avy amin’ny tetibolam-panjakana.
Tanjona ny hisahanana ny distrika 119 hatramin’ny taona 2023. Sahanin’ ny mpiara-miombon’antoka kosa ny eny amin’ny kaominina sy ny fokontany.
Njaka A.